FEPETRA ANKAPOBENY MOMBA NY FIVAROTANA

Jereo eto ireo fanekena ataonay ho an'ny fahombiazanao.

Ny fisoratana anarana sy ny fandoavana ny saram-pianarana dia midika fa manaiky ireo fepetra ankapobeny ireo ny mpianatra.

1 – Momba anay

Ny MPF dia plateforme e-learning ara-dalàna manana NIF sy STAT, izay manolotra fiofanana an-tserasera (en ligne) amin’ny programme de formation samihafa.

2 – Fisoratana anarana sy fandoavana vola

Ny saram-pianarana dia aloa mialoha vao afaka manomboka mianatra.

Rehefa voaray saram-pianarana dia mahazo login sy mot de passe ny mpianatra avy hatrany ary afaka misitraka ny tolotra rehetra.

Raha mampilaza ny mpampianatra mialoha amin'ny tsy fahafahana mianatra dia tsy isaina anaty fe-potoana ny fotoana nanapahana fa raha tsy mampilaza kosa dia isaina.

Rehefa tapitra ny fe-potoana fianarana dia désactivé ny login ary mijanona koa ny fifandraisana amin’ny mpampianatra sy ny assistance amin’ny WhatsApp.

Marihina fa samihafa ny saram-pianarana arakaraka ny programme de formation.

3 – Fotoana fianarana

Plateforme

24h/24 sy 7j/7

Mpampianatra

08h00 – 12h00

14h00 – 20h00

Ny fotoana hamalian’ny mpampianatra dia mety hiankina amin’ny isan’ny mpianatra miandry.

Tsy miasa alahady sy jour férié

4 – Garantie sy famerenam-bola

Raha avy amin’ny MPF ny olana

Averina 100% ny saram-pianarana.

Documents nécessaires :

  • Nom d'utilisateur
  • Capture d’écran ny resaka tamin’ny mpampianatra
  • Porofon’ny olana tsy voavaha (48h)
  • Laharana handefasana ny vola

Raha tsy avy amin’ny MPF ny olana

Ny famerenam-bola dia miankina amin’ny ampahany amin’ny fiofanana efa vita.

Tsy misy famerenam-bola raha efa mihoatra ny 50% ny fiofanana vita.

Famaranana

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka mifandray aminay amin’ny contact ao amin’ny plateforme.

Misaotra anao nisafidy ny MPF